|
|
|
|

Teny iditra1 Fitenin-dRazako
Singan-teny  2fiteny, 3razana
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Andriamanantena Georges
Lahatsiratra manontolo  7 Eny, mamiko ianao, ry tenin-drazako, ry teniko,
8 Tiako ianao, laniko loatra ary izao dia tsy afeniko
9 Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko
10 Mampitovy lanja anao sy Neny 'lay niteraka ahiko!

11 Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny
12 nanononako an'i Dada, nanononako an'i Neny?
13 Dia i Dada sy i Neny, sampan-drano nitsinjovako
14 ny loharano niandohako, dia ireo razana tsarovako.
15 Dada, Neny, mamy izany: aina nisehoan'ny felana,
16 tany nisehoan'ny voa, lalana nanelanelana,
17 vavolombelona hita-maso, maneho ny lasa izay takarina
18 ho tsinapa sy azo raisina ary tena nisy marina.

19 Tiako i Dada, mamy i Neny. Nefa inona, lazao
20 no ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao?
21 Ry tenin-drazako lalaiko! ry teny mamy tsy ariako,
22 taminao no nahalalako'reto faka nitsiriako...

23 Ary raha zohina indray ny zana-tohatra niakarako
24 teny an-dalan'ny fiainana isoritan'ny tantarako,
25 dia lasitra namboarinao, notinefinao maharitra
26 hifanentana amin'ny molotro, no nahaizako namaritra
27 ny hasoan'ito taniko: ka na lanitra baliaka,
28 na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka,
29 na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo
30 eny anivon-takariva mampiherika mpandalo,
31 ka mampody aina indray ilay tanàna-haolo-ngazako...
32 taminao dia taminao, taminao, ry tenin-drazako!

33 Ary nony vaky vony'lay fitia tanaty foko
34 ka niraraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko,
35 moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro,
36 hanambara ilay fitia nampombain'ny fo natolotro?
37 Teny tsotra nahalaza ny fitia sy ny alaheloko
38 izay narafitra ho tantaran'ny tsiambarateloko.
39 Eny, ho'aho, ry tenin-drazako, ry fiteny malagasiko,
40 tsy nindrana aho fa ambiny aza'ireto vita an-taratasiko.

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13