|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/5) | 1 fisoronana |
| Fototeny | 2sorona |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano.
[1.1] |
| Teny iditra (2/5) | 5 fisoronana |
| Fototeny | 6sorona |
| Sokajin-teny | 7 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
8Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany.
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9l'action d'attiser le feu, l'instrument.
[1.3] |
| Ohatra |
10 Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo.
[2.470]
|
| Teny iditra (3/5) | 11 fisoronana |
| Fototeny | 12sorona |
| Sokajin-teny | 13 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
[fisoroñana]
14fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana).
[Tambahoaka]
[1.78] 15Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha.. [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
16l'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif.
[1.3] |
| Ohatra |
17 Dia ho azy ireo, amin' ny lalàna mandrakizay ny fisoronana;
[2.996#02.029.009]
18 Ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana no ankalazainy indrindra [1.38] |
| Lahatsoratra | 19Randzavola: fisoronana ao amin' ny Baiboly |
| Teny iditra (4/5) | 20 fisoroñana |
| Sokajin-teny | 21 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
22tsangambaton-tsampy.
[Tambahoaka]
[1.78] |
| Teny iditra (5/5) | 23 Fisoronana |
| Sokajin-teny | 24 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
25(fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita.
[2.611] |
| Voambolana | 26 Soratra Masina |
| Tovy hevitra | 27levitika, levitika, levitika, levitikosy, levitikosy, levitikosy |
| Lahatsoratra | 28Randzavola: Fisoronana => Fanatitra sy Mpisorana |
| Fivaditsoratra | 29 Fisoronana, fisoroñana, fisoronana |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|