|
|
|
|

Teny iditra1 Andriamatoa
Singan-teny  2andriana, 3toa
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin' ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankatỳ Andriamatoa, hoy i dada tamin-dRandriamparany.
6Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonganamangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy lanja amin' ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony).
7Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaram-boninahitra entin' ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay.
8Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben' ny tanàna. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9[matoa, the firstborn.] The name of the eldest male in a family; a title of respect.. [1.2]
10Mister. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11Monsieur. [1.8]
Voambolana  12 Teny fanajana
Tohi-kevitra  13Ramatoa
Mpanahaka  14 atoa, 15 atoa, 16 ingahy, 17 ingahy
Ohabolana  18 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02