| Fizahan-teny |
|
|
| |
Ohabolana misy ny teny hoe : siramamy
|
|
|
| Ohabolana 1 | Badolahy miantsena: siramamy ka atoraka alika. [1.1]
|
| Fanazavana malagasy | Enti-milaza olona tsy ampy fiheverana, kely saina, ka tsy hainy akory ny manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny tsy ilaina. [1.1]
|
|
|
| Ohabolana 2 | Tantely sy siramamy : na dia samy mamy aza, misy samihafa anarana ihany. [2.974 #72, 2.653]
Tantely sy siramamy : na dia samy mamy aza, tsy itovizana kosa ny anarana. [2.558 #4101]
|
| Dikanteny frantsay | Miel et sucre : même douceur et noms différents. [2.974 #72]
|
|
|
| Fizahan-teny |
|
|