|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 volan-tsinana |
| Singan-teny | 2 volana, 3 tsinana |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
5 les premiers jours de la lune
6 croissant [1.3] |
| Ohatra |
7 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
| Voambolana | 8 Haikintana |
| Teny iditra (2/3) | 9 volan-tsinana |
| Sokajin-teny | 10 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
11 demi-cercle
[1.3] |
| Voambolana | 12 Matematika: rafitsary |
| Teny iditra (3/3) | 13 Volan-tsinana |
| Singan-teny | 14 volana, 15 tsinana |
| Sokajin-teny | 16 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 17 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
18 Razafintsalama Josefa |
| Lahatsiratra manontolo |
19 20 Raha nisoka, natao tsy hiverina; 21 nony maty, natao tsy hiposaka, 22 kanjo io ihany io mitsingerina, 23 fa ny zava-malefa-pitosaka ; 24 fisehoany dia mihelontrelona , 25 fa mitsidi-mitranga milentika 26 ary impito no maty ka velona 27 fa tsy tena dia lasa mirendrika 28 iry volan-tsinana andrefana 29 mahalala fotoam-piherenana! 30 Samy faly no sady finaritra, 31 ka indreny miainga mirohotra 32 eo an-kianja hikorana maharitra 33 ireo maro kilonga isam-bohitra; 34 fa ny zaza kamboty, manjonitra, 35 mahatsiahy ilay kibo nitoerana 36 sy ny ray nanao sikim-ponitra , 37 faingy hani-mandalo miserana 38 toraka io volan-tsinana andrefana, 39 tsy mandika fotoam-piherenana. 40 Ireo hazo amoron'ny tevana 41 velon-tsento mangina tarafiny, 42 fa ny sainy he! mihevangevana 43 ka maniry azy io hotahafiny... 44 Dia voavetso ny ela nilaozana, 45 ka ny endrika, bika, nananana, 46 no tanian-kimpody , hiaranana 47 toraka io volan-tsinana andrefana 48 tsy mandiso fotoam-piherenana! |
| Fivaditsoratra | Volan-tsinana, volan-tsinana |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/05/04 |
|