|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 volan-tsinana
Singan-teny  2volana, 3tsinana
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny frantsay  5les premiers jours de la lune.
6croissant. [1.3]
Ohatra  7 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana [2.996]
Voambolana  8 Haikintana

Teny iditra (2/3)9 volan-tsinana
Sokajin-teny  10 anarana
Fanazavàna teny frantsay  11demi-cercle. [1.3]
Ohatra  12 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana [2.996]
Voambolana  13 Matematika: rafitsary

Teny iditra (3/3)14 Volan-tsinana
Singan-teny  15volana, 16tsinana
Sokajin-teny  17 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  18 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  19Razafintsalama Josefa
Lahatsiratra manontolo  20 Raha nisoka, natao tsy hiverina;
21 nony maty, natao tsy hiposaka,
22 kanjo io ihany io mitsingerina,
23 fa ny zava-malefa-pitosaka ;
24 fisehoany dia mihelontrelona ,
25 fa mitsidi-mitranga milentika
26 ary impito no maty ka velona
27 fa tsy tena dia lasa mirendrika
28 iry volan-tsinana andrefana
29 mahalala fotoam-piherenana!

30 Samy faly no sady finaritra,
31 ka indreny miainga mirohotra
32 eo an-kianja hikorana maharitra
33 ireo maro kilonga isam-bohitra;
34 fa ny zaza kamboty, manjonitra,
35 mahatsiahy ilay kibo nitoerana
36 sy ny ray nanao sikim-ponitra ,
37 faingy hani-mandalo miserana
38 toraka io volan-tsinana andrefana,
39 tsy mandika fotoam-piherenana.

40 Ireo hazo amoron'ny tevana
41 velon-tsento mangina tarafiny,
42 fa ny sainy he! mihevangevana
43 ka maniry azy io hotahafiny...
44 Dia voavetso ny ela nilaozana,
45 ka ny endrika, bika, nananana,
46 no tanian-kimpody , hiaranana
47 toraka io volan-tsinana andrefana
48 tsy mandiso fotoam-piherenana!

Fivaditsoratra  49 Volan-tsinana, volan-tsinana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03