|
|
|
|

Teny iditra1 Vetson' ny manina
Singan-teny  2vetso, 3manina
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Lahatsiratra manontolo  7 Eritreritra miampita no manainga ny vinany
8 Mba hanembona mazàna'lay akany nisehoana,
9 Ka ny foko manina azy dia misentosento foana,
10 Saingy tsy afaka manoatra noho ny elanelan-tany.

11 Eritreritra miampita no manintona ny foko
12 Ho eo an-dapan-drotsirotsy fitobian'ny hava-maro;
13 Dia mandefa vetsovetso'zany saina mahatsiaro,
14 Lavitra azy ka voarakotry ny sento sy toloko.

15 Eritreritra miampita ho ao an-tanin-dray sy reny
16 No manetsika ny saiko mba hisidina mankany,
17 Ka ny sorisory lava'zay namelona tomany
18 Toa hisolo fifaliana hoy ny nofinofiko eny.

19 Eritreritra miampita no miserana mandalo
20 Toy ny rivotra mahery'zay misafo ny tanety,
21 Ka tsy hay arahi-maso fa mimaona vetivety
22 Mba hamangy'lay akany'zay tsy foiko hatakalo.

23 Eritreritra miampita'zay tsy sitram-panafody
24 No mibitsika mangina sy tsy levona ao an-tsaiko,
25 Ka na zovy hampitony dia tsy mety miandry baiko
26 'Zany vetsom-poko'zany f'efa mamy'zao ny mody.

27 Eritreritra miampita toa hamafa ranomaso
28 No manafotra hatrany'zany foko tsy tamana,
29 Te-hahita'lay akanin-dray sy reny fihantana,
30 Fa voairaky ny vintana sy zara be ankaso.

31 Eritreritra miampita ho any ambadiky ny bonga
32 No mamaky habakabaka ao an'efitra mangina;
33 Nofy ihany nefa izany ka ho foana sy ho sina,
34 Na dia velom-paniriana sy mirary ny ho tonga.

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13