|
|
|
|

Teny iditra (1/6)1 manina
Fototeny  2hanina
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5to long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina). [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina). [1.8]
Ohatra  7 manina ny tanindrazana aho izany! [2.470]
8 Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja. [2.471]
Haiendriteny 
9 Ny ankehitriny :
10 Ny lasa :
11 Ny hoavy :
12 Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Voambolana  14 Ontam-po
Kamban-teny rehetra  15Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  16 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/6)17 manina
Fototeny  18ina
Sokajin-teny  19 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny anglisy  20to command, to direct, to govern, to conduct, to manage.
21Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom.. [Provincial] [1.2]
Haiendriteny 
22 Ny ankehitriny :
23 Ny lasa :
24 Ny hoavy :
25 Filaza mandidy :

Teny iditra (3/6)26 manina
Sokajin-teny  27 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  28manendry. [Bara] [1.78]

Teny iditra (4/6)29 manìna
Fototeny  30hanina
Sokajin-teny  31 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Teny iditra (5/6)32 maninà
Fototeny  33ina
Sokajin-teny  34 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Teny iditra (6/6)35 Manina
Singan-teny  36manina
Sokajin-teny  37 anarana (lohatenin-tantara fohy)
Voambolana  38 Haisoratra: tantara fohy
Mpanoratra 
39Tselatra
Lahatsoratra  40 - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.

41 - Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.


Fivaditsoratra  42 mañany, mañañy, manañy, manany, 43 manina, maninà, manìna, Manina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03