|
|
|
|

Teny iditra1 Tsy embona
Singan-teny  2tsy, 3embona
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo  7 Tsy mba zavatra vao,
8 Fa tena fahita hatramin'ny ela
9 Ny tahaka izao:
10 Raha ritra ny rano, ny sisa tavela
11 Dia fotaka monja -
12 Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja!

13 Ny hany fitana:
14 Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana.
15 Hany ka ana
16 Ilay fo manantena firavoravoana
17 Hatrany hatrany,
18 Ka heriny sisa, nisotro tomany!

19 Kanefa, hoy aho,
20 Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry
21 Na ran'ny talaho
22 No tonga nameno impiry, impiry
23 Ilay fo nitadidy-
24 No tonga nameno kapoaka mangidy!

25 Fa hany nandoko,
26 Dia volon-davenona hilaza fa maty
27 Ilay afon'ny foko
28 Nitsilo ny lakana nita tanatin'
29 Ny fahatsiarovana
30 Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana!

31 O! rivotra adala
32 No sendra nandalo nanao tora-javona!
33 Nony efa niala,
34 Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona...
35 Ka inona foana
36 No tonga nanairany fanadinoana?

37 Etsetra, etsetra...
38 Dia inty aho tody fitana hafa indray;
39 Ary tsy mba hitsetra
40 Raha sendra miverina ilay fiainana iray
41 Izay lasan'ny taona
42 Nitoeran'ny foko efa nanala saona!

43 Nikoro! Nifono
44 Lavenona manja ny andro fahiny!
45 Mivolon-dronono
46 Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny!
47 Ry fahatsiarovana,
48 Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana!

49 Tena zavatra vao
50 Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela
51 Ny torak'izao:
52 Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela,
53 Na fotaka monja!
54 Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja!

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13