|
|
|
|

Teny iditra1 tsindrimpeo
Singan-teny  2tsindry, 3feo
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5Fanindriana ny feo manokana eo am-panononana teny iray: lavitra.
6Misy efatra ny fiantsoana ny tsindrimpeo: renitsindrimpeo (tsindrimpeon' ilay reny teny farany: ankizy kely maro); zanatsindrimpeo: ireo tsindrimpeo hafa; tsindrimpeo fototra (tsindrimpeompototeny: levona); tsindrimpeo am-panovanana na nikisaka: levonina. [1.1]
7Amin' ny teny malagasy rehetra misy vaninteny mihoatra ny tokana, dia misy vaninteny iray izay tsindrian' ny feo mafimafy kokoa eo am-panononana, ka io io no atao hoe vaninteny misy ny tsindrimpeo.
8Ohatra: mipetraka, rehetra, akany..
9Saiky mandrakariva, amin' ny vaninteny voalohany ihany no misy ny tsidrimpeo amin' ny teny roa sy telo vaninteny.
10Ohatra: rindrina, fototra, trano, tafo..
11Raha misy teny roa mitovy fanoratra kanefa samy hafa ny vaninteny misy ny tsindrimpeo ao aminy avy, dia asiana ny mari-tsindrimpeo (.
12) ilay tsy manara-dalàna.
13Ohatra: tanana (manara-dalàna io araka ny voalaza etsy ambony) ; tana (tsy manara-dalàna kosa io).. [1.146#18]
Fanazavàna teny frantsay  14accent d'intensité, accent tonique. [1.13]
Voambolana  15 Haiteny

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11