|
|
|
|

Teny iditra1 traikefa
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3fahaizana amam-pahalalana ananan' ny olona iray ary efa vita sedra sy nahazoam-pahombiazana maro tamin' izay nampiharana azy ka mendrika hitanana sy ampiasaina hatrany. [1.65#115, 1.62#1017]
Fanazavàna teny frantsay  4expérience. [1.65.fr#115]
Ohatra  5 Tsy traikefa no noresahiko fa ambaratonga eo amin' ny asa. [1.369#]
6 Noho ny traikefa ananany no nihazonan' io Lehiben' ny orinasa io izy. [1.62#1017]
7 Manana fahatsiarovana milevina anefa isika, manana traikefa hita miharihary. [1.369#]
8 Ny fahalalana anefa tsy tongatonga ho azy amin'izao ao an-dohan'ny olona iray, fa avy amin'ny fampiharana na traikefa eo amin'ny fiainam-piarahamonina pratique sociale, hoy i Mao Tse Toung. [2.606#16]
Haiendriteny 
9 Tsotra :

Fivaditsoratra  10 afetrika, 11 firetaka, 12 fiteraka, 13 kafitera, 14 traikefa

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12