|
|
|
|

Teny iditra (1/7)1 tola
Sokajin-teny  2 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3fianjerana. [Taisaka] [1.78]
4mianjera, midaraboka. [Tanala] [1.78]
5Tofoka, tohina, leony: Tolan-kazandrano aho izany.
6Lefy, folaka sy mihamalemy: Ela nilibana ireny ka efa tola izao.
7Miraika, mirona, mitongilana.
8Enti-milaza ny vilany mianjera avy eo ambony toko. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  9(pris adjectivement) Se dit des arbres dont le sommet penche ; arbres pleureurs.. [1.196]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  17 Haizavamaniry

Teny iditra (2/7)18 tola
Sokajin-teny  19 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  20mandry, mivaingana. [Tambahoaka] [1.78]

Teny iditra (3/7)21 tola
Sokajin-teny  22 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  23efa antitra, efa tonta. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  24vieilli, suranné. [1.13]

Teny iditra (4/7)25 tola
Sokajin-teny  26 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  27Enti-milaza tandrok' omby mifanohitra fitsiry ka miolaka amin' ny an-daniny avy. [Betsileo] [1.1]
Voambolana  28 Toe-karena: fiompiana
Tsanganana sy sary iray takila  29 Bikan' ny tandrok' omby

Teny iditra (5/7)30 tola
Sokajin-teny  31 anarana
Fanazavàna teny malagasy  32Omby manana trafo lava sy mirondrona. [Tsimihety] [1.1]
Voambolana  33 Toe-karena: fiompiana

Teny iditra (6/7)34 tola
Sokajin-teny  35 anarana
Fanazavàna teny malagasy  36valamparihy. [Tambahoaka] [1.78]
37valam-parihy. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  38diguette. [1.13]

Teny iditra (7/7)39 Tola
Sokajin-teny  40 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  41Tola. [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  42Tola. [2.996]
Voambolana  43 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  44Toko sy andininy momba Tola

Fivaditsoratra  45 Lota, 46 Tola, tola

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03