|
|
|
|

Teny iditra1 tokotany
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Ny tany manodidina ny trano miorina na ny fasana: Tokotanim-pasana.
4Tany voafaritra -- ary matetika aza voafefy -- miankina amin' ny trano iray, ka atao hilalaovan' ny ankizy: Ndeha milalao any an-tokotany!.
5a) Ny ankevitry ny tombam-bidin' ny zavatra iray: Tsy mihoatra ny iray alina ny tokotanim-barotr' io olona io. -b) Antoka: Ny karaman' ny mpiasa iray volana ity mbola tsisy tokotaniny akory. -d) Faritra: Tsy dia manahoana ny tokotanimpahaizan' io tovolahy io. -e) Fitambarana: Tsotra nefa mendrika ary mahatehotia ny tokotanin' endriny. -f) Ny loko hita ho be indrindra amin' ny sary izay misy loko maro: Inona no lokon' ny tokotanin' ilay akanjonao vaovao izay? Misy sarim-boninkazo fotsy sy mavo, fa manga ny tokotaniny. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6the yard around a house; grounds. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7cour. [1.8]
Tsipelina hafa  8kototany
Kamban-teny rehetra  9saran-tokotany
Ohabolana  10 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  11 kototany, 12 tokotany

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02