|
|
|
|

Teny iditra1 soso-kevitra
Singan-teny  2sosoka, 3hevitra
Sokajin-teny  4 kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5hevitra hafa noho ilay voalohany izay mety hanamafy kokoa na hitsipaka mihitsy aza ny mikasika izay nodinihina; tolokevitra atao mba hanampy ny efa voalaza na hasolo azy mihitsy fa heverina ho metimety kokoa. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6suggestion. [1.5]
Ohatra  7 Misy kosa anefa sosokevitra azo atolotra ary hanampy hampisondrotra ny fari-piainana. [4.27#]
8 Nanome sosokevitra ahy ny evekako hiara-mipetraka fotoana fohy amin' ireo fianakaviana faran' izay sahirana ireo aloha, izay vao misafidy ny hijanona miaraka aminy raha tiako. [1.369#]
Voambolana  9 Filôzôfia

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12