|
|
|
|

Teny iditra1 oseana
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Velarandranomasimbe mandrakotra ny telo ampahefatry ny tany ary mampisaraka ireo tanibe; nozaraina ho faritra dimy:
  1. ny Oseana Arktika: amin' ny tendron-tany avaratra;
  2. ny oseana Antarktika: amin' ny tendron-tany atsimo;
  3. ny oseana Pasifika: mampisaraka an' i Amerika amin' i Azia sy Aostralia;
  4. ny Oseana Atlantika: mampisaraka an' i Eoropa sy Afrika amin' i Amerika;
  5. ary ny Oseana Indianina: mipaka hatramin' ny sisin-tanin' i India sy Afrika atsinanana ka hatrany Aostralia, hodidininy ny Nosy Madagasikara
. [1.1]
Ohatra  4 Ny Japoney, izay niandany tamin' ny Alemana, dia nandroso fatratra amin' ny oseana Pasifika sy Indiana, ary nitohy niantsinanana sy nianatsimo foana. [2.472]
Voambolana  5 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Tovy hevitra  6bambandrano

Fivaditsoratra  7 oseana, 8 soa añe

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12