|
|
|
|

Teny iditra1 Ny foko nanidina
Sokajin-teny  2 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo  5 Ny foko nanidina ambony dia ambony,
6 ary saika hisetra izay faran'ny avo,
7 kanefa voadona, ka tsy afaka intsony-
8 naratra ny elany - ka indro izy lavo!

9 Naniry hihoatra anao, ry masoandro
10 mazava! Naniry tsy nijanona akory
11 na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro:
12 ny alina tamy ary koa sorisory!

13 Koa aizina anio re no sisa mamonto,
14 aizi-mitambatra sy mivangongo...
15 Rotsiako mangina ny foko efa donto,
16 ary safosafoiko ny masoko bongo!

17 A! toa efa hionona izany alahelo...
18 Sy hafeniko mba hijanona angaha?
19 O tsia! fa ny sentoko mamelovelo,
20 ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra!

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13