|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 ndeha
Sokajin-teny  2 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3mampanao asa olona, mitovy amin' ny hoe "mandehana": 'Ndeha milalao amin' izay ianareo, rankizy.
4Mitaona olona hiara-hanao asa iray amin' ny tena izay miteny: 'Ndeha hilalao amin' izay isika, rankizy (tsara homarihina, araka ireo ohatra roa ireo, fa amin' ilay hevitra voalohany (fandidiana), dia atao milaza ny ankehitriny ny matoanteny manaraka ny "andeha na ndeha", fa amin' ilay faharoa kosa (fitaomana), atao milaza ny ho avy). [1.1#766]
Fanazavàna teny frantsay  5comme andeha.
6Va, pars, allons, partons, allez, partez. [1.3#450]
Ohatra  7 ndeha hatory isika izao. [2.270#]
8 Angady no entiko,' ndeha hatakaloko akoho. [2.69#]
9 Raha sitrakao, ndeha hijery azy any isika? [2.470#]
10 Niridiridy nitsangana izy ndeha hamely ahy. [2.4#]
Tsipelina hafa  11andeha

Teny iditra (2/2)12 ndeha
Sokajin-teny  13 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  14entina milaza asa na fisehoan-javatra mifanindry amin' ny asa ho avy iray: Ndeha hivoaka ny trano indrindra aho no nirotsaka ny orana. [1.1]
Tsipelina hafa  15nde

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02