|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1 na
Sokajin-teny  2 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Teny mpampitohy.
4Enti-milaza zavatra roa azo ifidianana: Fidio izay tianao na ny vola na ny voninahitra.
5Enti-milaza olona, zavatra, toe-javatra daholobe tsy ankanavaka: Tonga tao daholo na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora na kely na lehibe. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6or, nor, though, whether, neither, if.
7It is also used to form several indefinite pronouns and adverbs.
8Compare sa. [1.2]
9or; either; neither. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10ou: Manorata na mamakia boky: samy mety daholo izay ataonao (écrivez ou lisez: ce que vous choisissez de faire est bon) ~ Samy mamy na ny ray na ny reny ~ Samy mampalahelo na ny mpandany na ny kahihitra. [1.12]
11ou. [1.8]
Kamban-teny rehetra  12Fikambanana 12 amin' io teny io

Teny iditra (2/5)13 na
Sokajin-teny  14 kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  15Heverina ho niavian' ny n' na n- ihany, izay ilazana tompon-javatra, saingy tsy fampiasa intsony ankehitriny afa-tsy:
1) raha milaza vidin-javatra: Vomanga-na volafolo;
2) amin' ny filazana izay olona nikendrena zavatra iray: Trano-na miaramila;
3) amin' ny filazana mpanao asan' ny iharana raha tsy voafaritra io mpanao asa io: Vita-na Malagasy. [1.1]

Teny iditra (3/5)16 na
Sokajin-teny  17 kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  18Kianteny atao eo alohan' ny anarana iray, izay enti-manazava anarana hafa voalaza eo aloha: Dia indro Antananarivo na ilay Analamanga fahiny. [1.1]

Teny iditra (4/5)19 na~
Sokajin-teny  20 tovona [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  21préfixe comme dans naotra. [1.3]

Teny iditra (5/5)22 Na    
Sokajin-teny  23 anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  24Singa mivaingana, faha-11 amin'ny fisokajiana miherina.. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  25Sodium.. [3.1]
Voambolana  26 Simia
Tsanganana sy sary iray takila  27 Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11