|
|
|
|

Teny iditra1 Mpiandry omby
Singan-teny  2mpiandry, 3omby
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Andriarimalala René
Lahatsiratra manontolo  7 Injany re tsitapitapy
8 Any an-tendrombohitra any
9 Ny firefotry ny japy.

10 Rivorivo be mifioka !
11 Izay nandraraka an'izany?
12 Tovolahy mampiady sioka.

13 Mpiandry omby maro andiany
14 Mihosy ahitra efa hoto
15 Fa avy ny hariva hodiany.

16 Sady milalao no miasa,
17 Misakana omby tsy hifanoto;
18 Fa nivadika ny rasa…

19 Ka manenjana salaka
20 Ny vantobanto-jazalahy
21 Manao tolona sy daka.

22 Manatanja-tena izy
23 Ho mahery toa ombalahy
24 Fa efa maika tsy ho ankizy!

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13