| Fanazavàna teny malagasy |
4Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy.
5Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika.
6Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto?.
7Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka.
8Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira.
9Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika.
10Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika.
11Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro.
[1.1]
|