| Fanazavàna teny malagasy |
3Foko lehibe monina afovoan' ny Nosy, izany hoe amin' ny tampon-kavoana voafaritry ny tanin' ny Vonizongo, avaratra, ny tendrombohitr' Ankaratra, atsimo, ny reniranon' i Sakay, andrefana, ny tandavan-tendrombohitr' Angavo, atsinanana.
4Tanan-dehibe: Antananarivo, Antsirabe, Miarinarivo, Soavinandriana, Ambatolampy, Arivonimamo, Manjakandriana.
5Samy manana ny anarana iantsoany ny Merina ny foko samihafa any anindrana: Amboalambo, hoy ny Sakalava; Ambaniandro na Merinalavasofina, hoy ny Betsileo; Antaimerina, hoy ny foko sasantsasany, ary Hova, hoy ny Betsimisaraka.
[1.1]
|