|
|
|
|

Teny iditra1 matoanteny
Singan-teny  2matoa, 3teny
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny..
6Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy:
a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra);
b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby);
d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana);
e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady);
f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby);
g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny);
h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana);
i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra);
j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra).
7sokajinteny. [1.1]
8Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa.
9Ohatra: milalao, jerena, ahandroana.. [1.146#75]
10sokajin-teny afaka miovaova endrika. [1.13]
11sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy. [1.62#738]
Fanazavàna teny frantsay  12verbe. [1.13, 1.5#208]
Ohatra  13 Avy amin' ny matoanteny avokoa ireo, ka ny m novàna ho f, ary samy milaza ny enti-manao [2.296]
14 matoanteny efa amin' ny fomba mandidy rahateo nefa mbola mitovana nao ihany indray ka mafimafy kokoa noho ny diniho fotsiny [2.314]
Voambolana  15 Haiteny

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11