|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 mandrindrina |
| Fototeny | 2rindrina |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Manao izay hiadian' ny lelavaravarana amin' ny batana mba tsy hahafahany mivoha (mba hitoviany tantana amin' ny rindrina); manakatona: Efa mahay mandrindrina varavarana ny zafikeliko.
5Mametraka olona ao anaty trano mba tsy hahafahany mandehandeha: Nisy nandrindrina an' itý zaza itý tao an' efitra tao ka nitomany foana tao izy. 6Mametaka varavarana: Mba tsy mahay koa izay mpandrafitra nandrindrina itony varavarana itony. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7to close.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8fermer.
[1.8] |
| Ohatra |
9 Tsy nanome tsiny azy ireo aho ankehitriny fa mandrindrina ny fakam-panahy!
[2.471]
|
| Haiendriteny |
|
| Teny iditra (2/4) | 14 mandrindrina |
| Fototeny | 15rindrina |
| Sokajin-teny | 16 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
17Enti-milaza olona sady lehibe no lava, ranjanana, goaibe: Tsitapitapitrizay indro nisy lehilahy nandrindrina be nanatona ahy.
[1.1] |
| Teny iditra (3/4) | 18 mandrindriña |
| Sokajin-teny | 19 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
20mandondona.
[Sihanaka]
[1.78] |
| Ohatra |
21 Malaza ho be mpamosavy ny vohitra sasantsasany tsy maintsy lalovany ka nampitsangam-bolo azy roalahy isaky ny misy aloka iray mandrindrina.
[2.470]
|
| Teny iditra (4/4) | 22 mandrindrìna |
| Fototeny | 23rindrina |
| Sokajin-teny | 24 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrindrina [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
[1.1] |
| Fivaditsoratra | 25 mandrindrìna, mandrindrina, mandrindriña |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|