|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 manavy
Fototeny  2avy
Sokajin-teny  3 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4Marary ka mafana ny tena (ny anton' ny fitomboan' ny hafanana dia ny fisian' ny zavatra na mikraoby na poizina ateraky ny zava-pihinana efa simba na fanafody sasany tafiditra any amin' ny tena, tonga any amin' ny ra ka manapoizina azy). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5To be ill with fever.
6So called perhaps because of its intermittent character.. [1.2]
7slightly ill. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8être un peu malade, qui a de la fièvre. [1.8]
Ohatra  9 Ary misy manavy, dia asieny mafy dia maty. [2.59#]
10 manavy ve ianao, sombinaiko, no izao ka dia mbola ato ihany? [2.643#]
Voambolana  11 Fahasalamana
Kamban-teny rehetra  12mitanina andro tsy manavy

Teny iditra (2/3)13 mañavy
Sokajin-teny  14 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  15tezitra. [Sihanaka] [1.78]
16tezitra, misafoaka, mihetsika: Mañavy koa ny ôlane (añavian'ny andro tsarane). [Tanala] [1.78]
Voambolana  17 Ontam-po

Teny iditra (3/3)18 manavy
Sokajin-teny  19 anarana
Fanazavàna teny malagasy  20anarana ilazana an-kapobeny ireo biby mampinono, lavalava vatana toy ny totozy, nefa mitarehim-borona manana elatra (iray tarika: manavibe, manavikely, fanihy ). [1.1]
21ramanavy. [Tambahoaka] [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  22a small bat. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  23chauve-souris. [1.54, 1.8]
Voambolana  24 Haibiby: mampinono
Tovy hevitra  25ramanavy
Mpanahaka  26 fanihy
Kamban-teny rehetra  27manavibe
Ohabolana  28 Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  29Randzavola: manavy ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  30 mañavy, manavy, 31 maniva, mañiva, 32 mavany, 33 mavina, 34 mivaña

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02