|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 mamaky
Fototeny  2vaky
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Manapotika zavatra amin' ny fandonana azy amin-javatra hafa na amin' ny fanatontàna azy amin' ny tany: Iza ianareo no namaky ny siny?.
5Mampitresaka, manasaka: Mamaky hazo fisaka ho roa ny mpandrafitra .
6Manimba, mandrava, mandroba: Mamaky trano mihitsy ny jirika.
7Mandalo eo afovoany manomboka amin' ny laniny iray ka hatramin' ny laniny iray hafa (matetika ny teny verindroa (Mamakivaky) no ampiasaina amin' itỳ hevitra itỳ): Menatra erỳ izy namaky na namakivaky ny vahoaka maro be.
8Mampiseho ho fantatry ny be sy ny maro: Rakotono namaky lainga an-dRajaona. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9to split; to break. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10fendre dans le sens de la longueur; casser. [1.3, 1.8]
11rompre.
12traverser, aller, passer.
13mettre en déroute. [1.3]
Ohatra  14 namaky ny any atsimo manontolo izahay (Nous avons traversé tout le sud) [1.3]
15 Izahay no namaky voalohany iny làlana iny (Nous avons été les premiers à passer par ce chemin) [1.3]
16 namaky ny fefiloha ny rano (L’eau a rompu la digue) [1.3]
Haiendriteny 
17 Ny ankehitriny :
18 Ny lasa :
19 Ny hoavy :
20 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  21Fikambanana 17 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)22 mamaky
Fototeny  23vaky
Sokajin-teny  24 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  25Manasaratsaraka ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra ao anatiny: Mbola tsy mahay mamaky teny ny zafikeliko fahenina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  26to read. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27lire. [1.3, 1.8]
28publier. [1.3]
Haiendriteny 
29 Ny ankehitriny :
30 Ny lasa :
31 Ny hoavy :
32 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  33mamaky teny

Teny iditra (3/3)34 mamaky
Fototeny  35vaky
Sokajin-teny  36 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny frantsay  37accuser, dénoncer. [1.3]
Haiendriteny 
38 Ny ankehitriny :
39 Ny lasa :
40 Ny hoavy :
41 Filaza mandidy :

Fivaditsoratra  42 Kimama, 43 mamaky, 44 mamika, 45 mikama

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08