|
|
|
|

Teny iditra1 Madagasikara tanindrazanay
Singan-teny  2Madagasikara, 3tany, 4razana
Sokajin-teny  5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  6Hiran' ny MDRM, 1946.
7Tonony : Jacques Emma Rahamefy.
8Feony : Rahamefison. [3.1]
Voambolana  9 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  10Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison
Lahatsoratra  11
Lahatsiratra manontolo  12 I
13 Madagasikara tanindrazanay!
14 Tany saro-bidy masina sy soa;
15 Lova soa navelan' ny razanay taloha;
16 Maty ho anao no tena lazanay.

17 II
18 Isika rehetra izao akanga miara-dia
19 Tsy azo tabaina na ravana koa;
20 Ka hitomban-dahy hiasa re satria
21 Io no loharano fototry ny soa.

22 III
23 Malagasy ô, andeha hifankatia;
24 Ho mpirahalahy tena iray tam-po;
25 Ny hifankahala hatao sanatria.
26 Ka iray tokoa ny saina sy ny fo.

27 Isan' andininy
28 Mitsangàna ry tanora !
29 Mitsangàna ka aza manana ahiahy;
30 Izao no andro sady ora,
31 Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11