|
|
|
|

Teny iditra1 iza
Sokajin-teny  2 mpisolo anarana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Atao eo aorian' ny anarana ka entina milaza olona: Ankizy iza no nandrovitra itỳ bokiko itỳ? nefa azo ilazana zavatra koa izy ka amin' izay entina manavaka ny iray amin' ny zavatra anankiroa na betsaka voalaza: Satroka iza amin' ireto no hovidinao?.
4Manao ny ankabeazan' ny asan' ny anarana ary enti-milaza olona indrindra: Iza no nanambara izany vaovao izany taminao? / Zanak' iza itỳ zaza itỳ?, nefa mety hilaza zavatra na biby ny "iza" mpisolo anarana raha ta hanavaka ny iray amin' ny zavatra roa na betsaka: Iza no hoentinao amin' ireto omby ireto?. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5who?. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6qui?. [1.8]
Tovy hevitra  7zovy
Kamban-teny rehetra  8na iza na iza
Tsanganana sy sary iray takila  9 Ny mpisolo rehetra

Fivaditsoratra  10 azy, 11 iza, 12 zay

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08