|
|
|
|

Teny iditra1 Ilay dobo
Singan-teny  2ilay, 3dobo
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Razafintsalama Josefa
Lahatsiratra manontolo  7 Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa:
8 ny morony tontolo, zozoro manga taho;
9 anivony, tatamo mivela-bony soa;
10 ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho

11 He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana;
12 ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho;
13 tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana;
14 vivy no miria eo fa miery tsimilaho.
15 He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina,

16 fa laokan-drano maro no ao mihahohaho:
17 amalona sy trondro, mangata-koalaina;
18 ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho;

19 tsindrahaka mitady izay olona mpitia;
20 irony ondrindrano, antsirina aman-toho
21 mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria
22 dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho.

23 lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa;
24 ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro;
25 ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa;
26 miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro.

Fivaditsoratra  27 abolidio, 28 Ilay dobo

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13