|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 hetra-
Sokajin-teny  2 endritenin' ny hoe hetrana

Teny iditra (2/4)3 hetra
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5(taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana.
6(ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7Taxes. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8Impôt, taxe. [1.8, 1.5]
9Redevance. [1.5]
Ohatra  10 Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra. [4.27#]
11 Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy. [2.508#]
Haiendriteny 
12 Tsotra :
13 Tovonana :
Voambolana  14 Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Kamban-teny rehetra  15Fikambanana 6 amin' io teny io
Ohabolana  16 Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  17Randzavola: hetra ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4)18 hetra
Sokajin-teny  19 anarana
Fanazavàna teny malagasy  20Anarana hafa ilazana ny fehikibo.. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  21Ceinture. [1.5]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Tovy hevitra  28fehikibo, fehinkibo

Teny iditra (4/4)29 hetra
Sokajin-teny  30 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  31depuis que.
32§ hàtra.. [Tankarana] [1.19]
Tovy hevitra  33faitra

Fivaditsoratra  34 hetra, 35 treha

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02