|
|
|
|

Teny iditra1 henatra
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Tahotra ny fahaverezan-kaja sy voninahitra: Henatr' olona re izany! Tsy sahy mitraka mihitsy izy rehefa mamakivaky eo afovoan' ny olona.
4Fahatsiarova na ny tena ho ambany, noho ny toetra ratsy ananana na asa ratsy tsy mendrika natao: Safotry ny henatra ny anao lahy fa tratran' ny fokonolona nangalatra teo an-tsena.
5Fahafaham-baraka: Henatra ho an' ny fianakaviana ny zaza tahaka ireny.
6Fanajana be loatra amin' ny olona iray ka mahatonga ny tena tsy ho sahisahy aminy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7shame, disgrace. [1.2, 1.7]
8shamefacedness, bashfulness. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  9honte; humiliation. [1.8]
[heñatra] 10honte. [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Ohatra  11 Misahirana atosiky ny fitiavana mifangaro henatra ny ho ratsy laza izany no mihaokaoka. [2.245#]
12 Te-hikosoka ny henatra lehibe tamin' ny nisaoran' olona ny zanany vavy tokana, hono, izy. [2.643#]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Mpamaritra :
Voambolana  21 Ontam-po
Kamban-teny rehetra  22Fikambanana 18 amin' io teny io
Ohabolana  23 Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  24Randzavola: henatra ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  25 henatra, 26 hetrana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02