|
|
|
|

Teny iditra1 gararàka
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3(Arabo gargara) rano madio na misy fanafody akobakobana sy ahontsankontsan' ny tenda ao anatiny ao mba hanadio azy na hitsaboana ny faritra marary ao, dia aloa, ary averimberina toy izany araka izay fiasan' ny fanafody.
4Ny ntaolo dia efa mampiasa azy: raha misy mangarakaraka ny tendany, na misy mangirifiry, na mivonto, ets.
5dia manao gararàka amin' ny ranontsira izy, na ranom-boasarimakirana sy tantely, na rano mafana nasiana intelo na inefatra mitete.
6
Ny fampiasan' ny doktera dia arakaraka izay fahitany ny toetr' aretina.
7Matetika dia ranomafana tsotra izao, na haroana fanafody acide borique, na ny tsaratsara kokoa dia ireto zavatra efatra ireto afangaro: borate de soude 20/1.000 sy eau oxygénée à 10 volumes 200cc sy borate de soude 5gr sy alcool de menthe 50 gr ary rano voasitily iray fitatra.
8Raha mbola tsy mahatsara dia tokony hoenti-manatona doktera sao dia aretin-tenda ilàna famonjena faingana.. [1.10]
9fanaovana rano an-tenda mba hanasana ny tenda, ka tsy atelina fa ahontsankontsana ao dia aloa: Manao gararaka. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10gurgling in the throat from a gargle.
11[Comp.
12Ar.
13gargara.]. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  14gargarisme, glouglou. [1.3]
15(dans toute l'île) Probablement hybridation du français « gargarisme » et du malgache migagaka : boire au goulot en faisant du bruit, faire glou-glou.
16Nom donné au gargarisme, mode d'administration fréquent des médicaments.
17Manao gararaka : se gargariser, prendre un médicament en gargarisme.. [1.196]
Voambolana  18 Fahasalamana
Kamban-teny rehetra  19manao gararaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08