|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 fitsarana
Fototeny  2tsara
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4Asan' ny saina manavaka ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy; fandanjalanjana ny mety sy ny tsy mety: Aoka tsy hiady hevitra firy ianareo fa samy manana ny fitsarany zavatra ny olona rehetra.
5Fahefana napetraky ny fanjakana mampiseho izay rariny sy hitsiny amin' ny alalan' ny fandinihana sy fampiharana ny lalàna manamarina na manameloka: Efa niakatra fitsarana ny raharahan-dry Rabe sy Ranaivo.
6Toerana anaovana io fitsarana io: Lasa eny amin' ny Fitsarana i dada.
7Anarana nomena ny tangena fahizay.
8Misy ambaratonga telo ny fitsarana: ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Fitsarana ambony (azon' izay resy tamin' ny voalohany angatahina hitsarana azy indray), ary ny fitsarana tampony (azon' izay resy tamin' ny faharoa angatahina hitsarana azy farany).
9Ny atao hoe Fitsarana avo kosa dia ny antoko-mpitsara miandraikitra ny fampanoavana ny Lalàm-panorenana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10[Rel.
11s.
12from mitsara (tsara).] Judgment, the seat of judgment.. [1.2]
13a judgement; a court of law. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14le jugement, le lieu, le tanguin qui jugeait.
15l'aiguille placée au-dessus du fléau de la balance. [1.3#753]
16jugement; tribunal. [1.8]
Ohatra  17 Tsy very anjara koa ny fitsarana. [4.27#2012/05/24]
18 Ny Tangena no natao fitsarana farany. [2.508#422]
Voambolana  19 Lalàna
Kamban-teny rehetra  20Fikambanana 13 amin' io teny io
Ohabolana  21 Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  22Randzavola: fitsarana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)23 fitsarana
Sokajin-teny  24 anarana
Fanazavàna teny frantsay  25(racine tsara).
26Au sens habituel : jugement.
27Nom qu'on donnait au tangena : Cerbera venenifera (Poir.) Steud.
28(Apocynaceae) quand il servait à pratiquer l'ordalie, le « jugement de Dieu » ; on disait aussi tangena-mitsara.. [1.196]
Voambolana  29 Haizavamaniry
Tovy hevitra  30tangena-mitsara, tangenitsara
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  31 fanaratsy, 32 fanisatra, 33 fiantsara, 34 fisatrana, 35 fitsarana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02