|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 fitampoha |
| Fototeny | 2tampoka |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4fampandroana an' i Dady.
5Dady dia isan' ny razamben' ny andriana sakalava, rahefa natokana ho zanahary hotompoina sy hiankohofana izy, sady efa vita moharay tamin' ny nifim-boay ny nifiny sy ny hohony, ets., ary tsy natao izany raha tsy efa amin' ny andron' ny zafikeliny izay manjaka. 6Izany no nanaovana azy hoe "Dady": Idadabe, satria raiben' ny zafiny manjaka amin' izay fotoana izay izy. 7Tsy maintsy nanokanana andro firavoravoana lehibe indray mandeha araka izay fe-taona na fe-potoana voatendry i Dady, hanompoana sy hanandratana azy ary hiankohofana aminy. 8Izany no atao hoe "fitampoha". 9Vahoaka tsieranaina no antsoina amin' izany rahefa hampandro an' i Dady. 10Milahatra manao tsy omby aloha amin' ny arabe dia miala satroka daholo rahefa mandalo izy.. [1.10] 11Fampandroana ao anaty rano mandeha ny sisan-taolan'ny razan'ny mpanjaka sakalava, izay atao amim-pomba lehibe arahindanonana isaky ny folo taona.. [1.1] 12fandroana, fampandroana ny jinin'ampanjaka. [Masikoro] [2.606#151] |
| Fanazavàna teny frantsay |
13cérémonie du bain des reliques royales des Sakalava du Menabe.
[1.5] |
| Ohatra |
14 Efa fanao hatry ny ela ny fitampoha.
[2.508]
15 Ny hevitry ny teny hoe "fitampoha" dia fandroana. [2.606] |
| Fivaditsoratra | 16 fampihota, 17 fitampoha |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/07 |
|