|
|
|
|

Teny iditra1 fikarakarana
Fototeny  2karakara
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4Fitandremana, fanasoavana fatratra sy manokana atao amin' olona na biby, zavatra, raharaha: Rakoto no misahana ny fikarakarana ny fambolena.
5Fiahiana, firaharahana: Anjaran' ny renim-pianakaviana indrindra ny fikarakarana ny tokantrano.
6Fanomanana, fanamboarana: Ho tonga ny lehibe ka hanomboka rahampitso ny fikarakarana ny fandraisana azy.
7Fifehezana, fitondrana, fanapahana: An' ny lehiben' ny Firaisana ny fikarakarana itỳ tanàna. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8taking care of, looking after. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9action de prendre soin; administration. [1.8]

Fivaditsoratra  10 fikarakarana, 11 firakarakana

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12