|
|
|
|

Teny iditra1 fihemorana
Fototeny  2hemotra
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4Fitambotsorana, fanaovana dia mianotra: Efa nampoizina ny fihemoran' ny tafika teo anoloan' ireo fahavalo be fiadiana lavitra noho izy ireo.
5Fialana; Nahagaga ny olona rehetra ny fihemoran-dRakoto tamin' ny fifidianana.
6Fisintonana: Naharitra hateloana ny fihemoran' ny rano.
7Fihenana: Fihemoran' ny vidim-bary izao fararano izao. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8the act of drawing back; backsliding; a decline. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9recul, retrait; déchéance, déclin. [1.8]
10reculade. [1.66]
Ohatra  11 Ny azo iantsoana ny "raharaha Daewoo" dia niafara tamin' ny fihemorana ankapobe teo amin' ireo antokon' olona roa voakasika. [4.27]
12 Tonga ny mpampakatra sy ny mpaka, nefa sampona ny raharaha, ka fara fahatsarany, hahemotra aoriana, raha tsy ho fihemorana mandrakizay! [1.223]
Tohi-kevitra  13fandrosoana

Fivaditsoratra  14 fihemorana, 15 mifanohera

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12