|
|
|
|

Teny iditra1 fandrosoana
Fototeny  2roso
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4Fandehanana eo aloha: Ny fandrosoan' ny eo aloha indray mandingana monta dia hahafahan' ny atỳ aoriana mahazo toerana malaladalaka kokoa.
5Fanolorana zavatra ho an' olona, izay apetraka eo anoloany: Ikoto no hikarakara ny fandrosoana kafe ho an' ny oiona nasaina.
6Fitomboana fahaizana: Tsy misy fandrosoana ny fianaran' ny zanakao.
7Fandehanana tsara misy tombony, fahombiazana: Fandrosoana lehibe ho anao izao fahazoanao voninahitra izao.
8Fivoarana ho amin' ny tsaratsara kokoa vokatry ny fiitaran' ny fahaizana amam-pahalalan' ny olombelona: Betsaka ny aretina resy noho ny fikarohana nentin' ny fandrosoana. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  9l'action d'avancer, de présenter, l'instrument pour présenter, le temps.
10le progrès, la civilisation. [1.3]
Ohatra  11 Maro sady lehibe ny fandrosoana nentin-dRadama. [2.508]
12 Ary raha tsisy fandrosoana, ny vidim-piainana tsy hitsahatra ny hiakatra. [4.27]
13 Ary raha tsy maintsy lazaina ho fandrosoana izany, dia fandrosoana mankany an-kady! [2.503]
Haiendriteny 
14 Tsotra :
15 Tovonana :
Tohi-kevitra  16fihemorana
Kamban-teny rehetra  17Fikambanana 2 amin' io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08