|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 fenitra
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3ny tsorak' ahitra efatra alahatra voalohany, atao mitanam-bokovoko, dia ireo no fototra anombenana ny rary amin' ilay harona na sobika atao. [1.10#F.447]
4Ireo soritra amin' ny rary mifanipaka, izay toa mahavita sary. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5four strips of rush placed diagonally at the bottom of a basket, etc., extending from corner to corner, and forming a foundation on which the basket is plaited. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6raies des nattes dirigées dans un sens différent et formant des dessins. [1.3]
Kamban-teny rehetra  7Fikambanana 5 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)8 fenitra
Sokajin-teny  9 anarana
Fanazavàna teny malagasy  10fanorenana, fiandohana.
11ny fandimbiasana ara-dalàna tsy miovaova ny taranaky ny mpanjaka teto amin' ny Fanjakana Malagasy izy; koa na ny mpanjaka na ny vahoaka dia samy tsy misy mivadibadika na mikorontana, fa misy fitohizana ara-dalàna hatrany. [1.10#F.447]
12Fomba fanao, indrindra izay mikasika fifandraisan' ny vahoaka sy ny andriamanjaka fahizay: Tsy miova fenitra ny ambanilanitra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13foundation, origin, first cause, etc..
14This word is also used to express the continuous succession to the sovereignty of a dynasty, as: Tsy miova fenitra ny ambanilanitra (The people have no change in the succession). [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  15coutume, usage.
16ce qui s'est fait dans les temps passés de peuple à souverain et de souverain à peuple. [1.3]
Ohatra  17 Koa samia mitandrina ianareo mba tsy hanova fenitra izao tany ipetrahanareo izao. [2.508]
18 tsy maintsy mitovy ny fenitra andanian' ny Antenimiera roa tonta ny lalàna fehizoro mikasika ny Antenimierandoholona. [1.320]
Kamban-teny rehetra  19Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  20 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  21 fanetry, 22 fenitra, 23 fitrena, 24 Tryfena

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02