|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 fahefatra
Fototeny  2efatra
Sokajin-teny  3 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4Enti-milaza izay mitana ny laharana aorian' ny fahatelo: Ny avrily no volana fahefatra amin' ny taona. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5the fourth. [1.2#130]
Fanazavàna teny frantsay  6quatrième. [1.3]
Ohatra  7 Sarimpolanelina fahefatra sy irain-jehy, novidina ariary. [2.59]
8 Ny andro fahefatra vao nijaingijaingy nankeny an-tseranana aho. [2.471]
9 Teo amin' ny herinandro fahefatra izahay dia somary nitombo hery kely. [2.643]
10 Ary ny olona izay efa nody avy tamin' ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany [2.996]
Tsipelina hafa  11fahaefatra
Kamban-teny rehetra  12Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)13 fahefatra
Fototeny  14efatra
Sokajin-teny  15 anarana
Fanazavàna teny anglisy  16four fathoms. [1.2#130]
Fanazavàna teny frantsay  17quatre brasses. [1.3]
Voambolana  18 Toerana

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08