|
|
|
|

Teny iditra1 Levitikosy
Sokajin-teny  2 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Boky fahatelo ao amin' ny Testamenta Talohan' ny Baiboly, ao amin' ny antokon' ireo atao hoe "Boky P" (Mpisorona) ; koa ao amin' ny Baiboly malagasy ny anarany dia miampy hoe "na Fisoronana".
4Saiky izy manontolo dia milaza zavatra momba ny Mpisoronana sy ny Fisoronana, dia ny lalàna sy ny fanazavana momba izany raharaha izany.
5Ny toko I-VII dia lalàna sy fepetra, ets.
6momba ny fisoronana.
7Ny toko VIII-X momba ny fanokanana na fanamasinana na fanosorana olona ho mpisorona, Ny toko XI-XIII dia lalàna ny Fanadiovana sy ny Fanavotana.
8Ny fizarana ao amin' ny toko XIII-XXVI dia antsoina hoe Lalàn' ny Fahamasinana ary hita ho mitoka-miavaka amin' iretsy fizarana namany, ary hita fa soratra hafa ny loharano niteraka azy.
9Tsy ny tarehin-dahateny ihany no mampiavaka azy, fa ao koa ny famerimberenany ny teny hoe Fahamasinana : Henjaniny sy averimberiny fatatra ny tsy maintsy ilan' ny mpivavaka ny fahamasinana.. [1.10]
10Ny anaran' ny boky sy ny teny ao anatiny.
11Amin' ny versiona grika dia "Levitikosy" no anaran' ity boky ity, satria mikasika bebe ihany ny raharahan' ny Levita izy ; fa amin' ny teny hebreo kosa dia "Vayikra", izany hoe "Ary niantso izy", araka ny teny voalohany ao amin' ny boky.... [1.38]
Voambolana  12 Soratra Masina
Tovy hevitra  13fisoronana, fisoronana, fisoronana, levitika, levitika, levitika

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/31