|
|
|
|

Teny iditra (1/17)1 Josefa
Sokajin-teny  2 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Josefa Patriarka - Zanak' i Jakoba tamin-dRahely izy, ary teraka tao Harana tokony ho tamin'ny 1873 B.
4C.
5(Gen.
630.24).
7Tsy dia ela loatra taorian'ny nahaterahany no nialan' i Jakoba tao Harana, hiverina ho any Kanana, fa raha tonga tao akaikin' i Efrata izy, dia maty Rahely (Gen.
835.18, 19).
9Tokony ho zazalahy tsara fanahy Josefa ka nanoa tsara ny rainy ; ary noho izany, sady satria zana-dRahely, ilay vady tiany indrindra izy, dia fatratra ny fitiavan'i Jakoba azy.
10Fantatry ny rahalahiny izany, ka izany no nankahalany an' i Josefa.
11Angamba koa fanaon' i Josefa ny nilaza tamin' i Jakoba ny zava-dratsy nataon' ny rahalahiny, «fa Josefa nitati-bolana tamin-drainy » (Gen.
1237.
132).
14Kanefa izay nahalotika ny fon'izy ireo indrindra dia ny nofin' i Josefa, izay nolazainy koa tamin' ny rahalahiny (Gen.
1537.
165-11).
17Mora hitan' i Jakoba sy ny zanany rehetra ny hevitr' izany nofy izany, dia ny hanompoan' izy rehetra an' i Josefa, ka na dia Jakoba aza dia toa sosotra kely tamin' i Josefa ihany, vao mainka fa ny rahalahiny, izay efa nankahala azy rahateo.
18Nohajain' ny olona indrindra ny nofy tamin' izany andro izany, ary saiky mandrakariva dia ninoana ho fanambaràna zavatra ho avy izany.
19Noheverin' i Jakoba sy ny zanany fa tsy ho tanteraka izany nofy izany ; kanefa dia tanteraka tokoa izany tamin' ny fotoana mety. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  20Joseph, the elder of the two sons of Jacob by Rachel. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  21Joseph, fils de Rachel, femme de Jacob. [2.996]
Voambolana  22 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  23Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (2/17)24 Josefa
Sokajin-teny  25 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  26Joseph, father of Igal. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  27Joseph, père d'Yigéal. [2.996]
Voambolana  28 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  29Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (3/17)30 Josefa
Sokajin-teny  31 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  32Joseph, a lay Israelite of the family of Bani. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  33Yoseph, des fils de Bani. [2.996]
Voambolana  34 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  35Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (4/17)36 Josefa
Sokajin-teny  37 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  38representative of the priestly family of Shebaniah. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  39Yoseph de Shebanya. [2.996]
Voambolana  40 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  41Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (5/17)42 Josefa
Sokajin-teny  43 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  44Joseph, son of'Asaph. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  45Yoseph, fils d'Asaph. [2.996]
Voambolana  46 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  47Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (6/17)48 Josefa
Sokajin-teny  49 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  50Joseph. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  51Joseph, fils de Zacharie. [2.996]
Voambolana  52 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  53Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (7/17)54 Josefa
Sokajin-teny  55 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  56a Jewish officer defeated by Gorgias about 164 BC.. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  57Joseph, fils de Zacharie. [2.996]
Voambolana  58 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  59Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (8/17)60 Josefa
Sokajin-teny  61 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  62Joseph, named among the brethen of Judas Maccabeus apparently in place of John. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  63Joseph, frère de Judas Maccabée. [2.996]
Voambolana  64 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  65Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (9/17)66 Josefa
Sokajin-teny  67 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  68Joseph, an ancestor of Judith. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  69Joseph, arrière-grand-père de Judith. [2.996]
Voambolana  70 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  71Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (10/17)72 Josefa
Sokajin-teny  73 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  74Joseph. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  75Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Jonan. [2.996]
Voambolana  76 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  77Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (11/17)78 Josefa
Sokajin-teny  79 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  80Joseph. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  81Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Judah. [2.996]
Voambolana  82 Soratra Masina

Teny iditra (12/17)83 Josefa
Sokajin-teny  84 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  85Joseph. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  86Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Mattathias. [2.996]
Voambolana  87 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  88Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (13/17)89 Josefa
Sokajin-teny  90 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  91zanak' i Oziasa, rain' i Merarì. [2.996]
Fanazavàna teny anglisy  92Joseph, son of Oziel, father of Merari. [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  93Joseph, fils d'Oziel, père de Merari. [2.996]
Voambolana  94 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  95Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (14/17)96 Josefa
Sokajin-teny  97 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  98anankiray tamin' ny rahalahin' ny Tompo (Mat.
9913.55). [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  100Joseph. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  101Joseph, un des frères de Jésus. [2.996]
Voambolana  102 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  103Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (15/17)104 Josefa
Sokajin-teny  105 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  106Josefa, vadin' i Maria, ary noheverina ho rain' i Jesosy.
107Ny Jiosy rehetra dia samy nitahiry ny tetiarana momba ny razany, ka faly tokoa izy raha azony atao ny manaporofo fa taranaky ny mpanjaka na ny mpisorona izy.
108Josefa dia nahazo nirehareha fa taranak'i Davida izy (Mat.
1091.
11020).
111Betlehema tanànan' i Davida no tanindrazany, saingy nifindra monina tany Nazareta izy (Lio.
1122.
1134) ; ary ny raharaha nahazoany fivelomana dia ny rafitra (Mat.
11413.
11555).
116Nalainy ho fofombadiny i Maria, izay nonina tany Nazareta koa.
117Josefa angamba dia zokin' i Maria lavitra tamin' ny taona niainany.
118Kely foana no hita ao amin' ny Filazantsara ny amin' i Josefa ; nefa izay voalaza dia mampiharihary ny fahatsaran-toetrany.
119(a) Tena Israelita marina tokoa izy, ka nanaja tsara ny fomba amam-panaon' ny Jiosy (Lio.
1202.
12121-24), mbamin'ny fitandremana ny Andro Firavoravoana (Lio.
1222.
12341, 42).
124(b) Lehilahy nalemy fanahy sy antra olona izy.
125Rehefa hitany ny toetran' ny fofombadiny dia velona eritreritra mafy izy, ka nanapa-kevitra hametraka azy ; nefa nokasainy hatao mangina izany mba tsy ho afa-baraka eo imason' ny olona ilay fofombadiny.
126Rehefa nilazana ny marina anefa izy dia tsara mihitsy ny fitòndrany an' i Maria.
127Koa nony niakatra ho any Betlehema izy mba hisoratra, araka ny didin' ny mpanjaka, dia tsy nilaozany irery tao Nazareta i Maria, fa nentiny niaraka taminy kosa mba tsy ho tanisain' ny manta vava amin' ny endrikendrika manorisory (Lio.
1282.
1291-7).
130(d) Izany toetra mahate-hidera izany dia nasehony koa tamin' ny fitaizana ny Zaza, izay napetrak' Andriamanitra ho adidiny.
131Noraisiny tamin' ny fitiavana tanteraka ity Zaza ity ka mendrika tokoa ny iantsoana azy ho « rainy » (Lio.
1322.
13333, 41, 48 ; Mat.
13413.
13555 ; Jao.
1361.
13745 ; 6.
13842).
139Koanefa dia tsy miseho intsony ao amin' ny Filazantsara ny tantaran' i Josefa taorian' ny niverenany avy tany Jerosalema, rehefa tonga taona ho « Zanaky ny Lalàna » Jesosy (Lio.
1402.41-51).
141Ary satria ny anaran' i Maria ihany no hita ao amin' ny tantara momba ny nanaovan' i Jesosy ny raharahany, dia azo heverina fa maty teo anelanelan' ireo fotoana ireo Josefa.. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  142Joseph, son of Eli, and reputed father of Jesus Christ. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  143Joseph, l'époux de Marie. [2.996]
Voambolana  144 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  145Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (16/17)146 Josefa
Sokajin-teny  147 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  148Josefa avy any Arimatia.
149"Lehilahy manankarena" (Mat.
15027.
15157), sady tsara fanahy, ary isan' izay nandevina an' i Jesosy izy.
152Marka dia milaza azy ho "lehilahy manan-kaja, izay isan' ny Synedriona, sady niandry ny fanjakan' Andriamanitra koa " (Mar.
15315.43) ; ary Lioka kosa milaza azy ho "lehilahy tsara fanahy sady marina" (Lio.
15423.50).
155Tsy nankasitraka ny hevitry ny namany tao amin' ny fivorian' ny Synedriona izy ny amin' ny hamonoana an' i Jesosy; kanefa kosa toa tsy dia niseho ho nisakana izany loatra ; angamba aza tsy nitranga tamin' ny fivoriana niheverana izany izy.
156Nolazain' i Jaona mazava fa na dia mpianatr' i Jesosy eza izy, " dia tamin' ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy " (Jao.
15719.38).
158Kanefa rehefa maty ny Tompo dia tsy nahalala tahotra intsony izy.
159Marka milaza fa " saby niditra tao amin' i Pilato izy, ka nangataka ny fatin' i Jesosy (Mar.
16015.43).
161Araka ny fomba mandrakariva, ny havana aman-tsakaizan' ny olona novonoina tamin' ny hazofijaliana dia nividy ny fatiny mba ho azo alevina, satria mazàna no ariana hohanin' ny vorona sy ny bibidia ireny faty ireny ; ary Josefa dia tsy maintsy nanaiky hanome an' i Pilato izay vola nilainy tamin' izany, ka dia nomena azy ny faty (Mar.
16215.45).
163Josefa dia nanana tanimboly teo akaikin' i Golgota, izay efa nahavitany fasana nokasainy hilevenan'ny tenany : tao no nandevenan' izy ty Nikodemosy ny fatin' i Jesosy, rehefa avy nohosorany zava-manitra sy nofonosiny "hariry madinika madio " (Mat.
16427.57-61; Mar.
16515.
16642-47 ; Lio.23.
16750-56 ; Jao.
16819.
16938-42).. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  170Joseph of Arimathea, a rich and pious Israelite who had the privilège of performing the last offices of duty and affection to the body of our Lord. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  171Joseph d'Arimathie. [2.996]
Voambolana  172 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  173Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (17/17)174 Josefa
Sokajin-teny  175 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  176Josefa Barsabasy.
177- Natao hoe Josto koa izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota (Asa 1.23-25).
178Izany no ahafantarantsika fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny niakarany ho any an-danitra, (and.
17921, 22).
180Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy.. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  181Joseph called Barsabas, and surnamed Justus. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  182Joseph dit Barsabbas. [2.996]
Voambolana  183 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  184Toko sy andininy momba Josefa

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/09