|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 antsojay |
| Fototeny | 2tsojay |
| Sokajin-teny | 3 tambinteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
4[M.
5Richardson manao ny fototeny nihaviany ho soja; M. 6Malzac kosa mihevitra izany ho tsojay; M. 7Callet indray manao izany ho tsoja; ny hevitry ny teny anefa dia iraisany ihany] amin' ny fikendrena hanararaotra faingana ny fotoana sy ny toe-javatra mety indrindra hamelezana na hanaovana; antsontsany. [1.10] [an-tsojay] 8amin-kalozana mihoa-pampana. [1.1] 9Fanararaotana ny fahadisoana kely mba hamelezana. [1.1] 10Fanararaotana ny fahadisoana kely ataon' ny hafa, iniana, na tsia, mba hanararaotana sy hamelezana azy: Tsy mba manao antsojay akory ny mpanabe, fa ny hanasoa mandrakariva ny ankizy no tokony hokendreny. [1.65] |
| Fanazavàna teny frantsay |
11avec une sévérité outrée.
[1.3] |
| Ohatra |
12 Tsy izany ihany, fa anaovana antsojay ny fananan'ny Fiangonana tamin'ny fakàna an-keriny ny fitaovan'ny FJKM teny Alarobia
[4.12]
13 Tsy mba nomena ny toerana tokony hisy azy ny Indostria Malagasy fa toa an-jorombala lava, ampian’ny fingampingana samihafa sy ny antsojay eny rehetra eny. [4.39] 14 Mitady hiseho lany ao amin'ny tsenan'i Soamanatombo ny antsonjay atao amin' ny mpivarotra [4.7] |
| Tsipelina hafa | 15an-tsojay, antsonjay |
| Kamban-teny rehetra | 16manao antsojay |
| Ohabolana | 17 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 18 Anjoatsy, 19 antsojay, 20 isan-jato, 21 Jonatasy |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|