|
|
|
|

Teny iditra1 Aleksandria
Sokajin-teny  2 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Tanàna lehibe any an-dohan'i Afrika Avaratra, ao amin'ny faritanin'i Ejiptra, mitondra ny anaran'ny mpanorina azy (taona 332 talohan'i J.K.), dia Aleksandra Lehibe, rahefa nandresy an'i Ejiptra izy.
4Ny mpanjaka nifandimby tany Ejiptra, atao hoe Ptolemeo, dia nanana anjara betsaka nahabe voho ny tanàna: tao no nananganana trano firaketam-boky tokana amin-tany, izay nisy soratanana tsy latsaky ny fito hetsy no isany.
5-- Boky nisy literatiora jiosy, kaldeana, persiana, etiopiana, ejiptiana, grika, latina, ets.
6no samy nangonina tao.
7Nisy (soratanana) dikan'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao tamin'nt teny grika natao tany, izay natsoina hoe "Codex alexandrinus".
8Hoditr'osy tsara no nanoratana ireo.
9Tahirizina ao amin'ny trano firaketana (British Museum) any Laondra izy ireo ankehitriny.
10Tokony ho tamin'ny taona 450 angamba no nahavitany.
11Ny "Codex alexandrinus" (taonjato V) no faharoa amin'ny soratanana tranainy voatahiry momba ny Baiboly (tapitra); ny "Codex sinaïcus" ihany no talohany (taonjato IV), dia ilay vao novidin'i Angletera tamin'i Rosia (URSS) tamin'ny taona 1933 -- 8.000.000 francs; ao amin'ny British Museum koa.
12Tao koa ny trano fanilo (phare) izay nisy 150 m.
13ny hahavony, ary isan'ny zava-mahagaga fito eto ambonin'ny tany.
14Ravan'ny horohorontany io tamin'ny taona 1303.
15Tanàna tena nalaza sy namirapiratra, nifamotoanan'ny firenena avy amin'ny vazan-tany efatra Aleksandria; maro dia maro ny Grika sy ny Romana no niorim-ponenana tao.
16Ny Jiosy, izay efa be tonga tao hatry ny ela, dia vao mainka nisesika rahefa ravan'ny Romana Jerosalema tamin'ny taona 70 taorian'i J.K., ka faritany iray manontolo no nonenany, nivarotra sy nitombo harena tao, sady nanangana synagoga.
17Nifangaro tamin'ny Grika izy, ka nahay ny fiteny grika fatratra, ary efa nahadika ny Baiboly (Testamenta Taloha) amin'ny fiteny grika, izay atao hoe ny "Baibolin'ny Fitopolo" (Septante), na hafohezina ho LXX (taonjato III talohan'i J.K.).
18Taty aoriana dia nandroso tao ny fivavahana kristiana, ary lazain'i Eusebius, rain'ny fiangonana fa : Marka, mpanoratra ny Filazantsara faharoa, dia nirahin'ny mpino voalohany ho any Aleksandria hitory ny Filazantsara vao nosoratany, ka nanorina fiangonana.
19Ilay mpandahateny malaza tamin'ny andron'ny Apostoly, natao hoe Apolosy, dia teraka tany Aleksandria (Asan'ny Apostoly 18:24; jereo koa Asa.
206:9; 27:6; 28:11).
21Koa satria tanàna nandroso fatratra tamin'ny sivilizasiona grika Aleksandria, sady nitombo sy nitatra be tao ny fivavahana kristiana, dia nanjary foi-be'ny fivavahana ara-tsaina izy; nifanosona tao ny mpampianatra ambony maro mandritra ny taonjato faharoa sy fahatelo taorian'i J.K., nanangana fampianaram-baovao momba ny finoana kristiana.
22Azo tsarovana eto ny anaran'i Basilides sy Valentinus nivily hevitra (hérétique), sy ny "Rain'ny fiangonana" toa andry Clément, Athanasa, Origène.
23Tamin'ny taona 640 taorian'i J.K.
24dia azon'ny Calife Omar (mpanjaka arabo) Aleksandria ka nolevonina.
25Nihena hatramin'izay ny laza amam-boninahiny, ary tsy nifoha raha tsy vao tamin'ny taonjato faha-19.
26Mirongatra indray ny varotra ao aminy, ary mitombo be ny mpihavy.
27Misy mponina 440.000 ao ankehitriny.
28Sekoly Aleksandriana. -- Nizara roa izany: (1) Sekolin'ny literatiora sy ny siansa. -- Ptolemeo Soter, nanjaka tany Ejiptra (343-285 talohan'i J.K.) no tena nafana fo tamin'ny fampandrosoana ny literatiora sy ny siansa.
29Maro ny olonkendry grika no voavoriny tao, ka toy ny nifaninana tamin'i Atena mihitsy Aleksandria.
30Nanorina trano firaketan-javatra (musée) koa izy io.
31Tao no nampianaran'ireo ngezalazy toa an-dry Aristota, araka ny fomban'ny oniversite ankehitriny.
32Ny fomban-dahatenin'ny Sekoly aleksandriana dia hafa noho ny an'ny mpanoratra grika talohany.
33Fikarokarohan-java-baovao sy fitsikerana ny asan'ny teo aloha no nilofosany; nianatra gramara izy, lahateny, angano, tantaran'ny fahagola, astronomia, ary fanafody.
34Ny sampana momba ny matematika dia naorin'i Euclide, nodimbiasan'i Archimède mpianany, izay samy nahita zava-baovao mbola igagana sy ianaran'ny ankehitriny.
35(2) Sekolin'ny filozofia. -- Samy nikatrohan-dry zareo tao ny filozofian'ny Tatsinanana sy ny Tandrefana, ary ny hevitra jiosy momba ny fivavahana dia novontosan'izany filozofia grika izany.
36Plotinus no nanorina ny fampianarana natao hoa "néo-platonique".
37Ny antoko atao hoe "gnostique" dia niezaka hanakambana sy hampifanaraka ny hevitra kristiana sy ny fahalan'ny Tatsinanana.
38Clément sy Origène no namiratra tamin'ny izany.
39Philo Judaeus nikely aina hampifanaraka ny Soratra Masin'ny Jiosy amin'ny filozofian'i Platon.. [1.10]
Voambolana  40 Haitoetany: tanàna
Mpanahaka  41 aleksandra

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12