|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 vorontsiloza |
| Singan-teny | 2vorona, 3tsy, 4loza |
| Sokajin-teny | 5 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
6Vorona lehibe, fianakaviam-ben' ny akoho, vorombola..,, manam-bika hafa kely fa misy nofo mikiramborambo eo amin' ny lohany, ny tendany misy toa haingony mitarazoka ary ny rambony azony velarina toy ny fikopaka rehefa midoroboka izy; tsara hena ary tsy mba saro-devonina ohatra ny gisa ny vorontsiloza.
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7turkey.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8dinde.
[1.54] 9dinde, dindon. [1.8] |
| Ohatra |
10 Nifidianan' Ineny izay matavy sy lehibe tsara ny vorontsiloza.
[2.332#]
11 Ny ahy kosa vorontsiloza, ity anaty sobika ity, hoy ilay fatsora. [2.442#] 12 Vorona iray karazana amin' ny vorontsiloza io, ka nidoboka sy nibarera, raha nisy nisiaka azy. [2.69#] |
| Voambolana | 13 Haibiby: vorona |
| Ohabolana | 14 Ohabolana misy io teny io |
| Sary |
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|