|
|
|
|

Teny iditra1 voronandrano
Singan-teny  2vorona, 3rano
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5Karazam-borona, toy ny angaka, arosy...
6mivelona eny amin' ny hetrina; toy izao ny toetoetra manokana ananan' ny voronandrano: fohy ny tongony fa mafy ny hoho amin' ny loha rantsany ary misy hoditra manify mampikambana ny rantsana efatra ho toy ny fivoy. [1.1]
Ohatra  7 Nambenana mafy tsy azo naleha teo, ka ny voronandrano nonina teo tsy nisy mpananaitra - nanatody any anaty zozoro any aza. [1.437#]
8 Ary izao koa no fomba ny heniheny dia azo angalana laoka hafa indray hihinanana vary, fa eo ny voronandrano, sy ny vano-fotsy, sy ny vanomainty, sy ny vorompotsy, sy ny talèvana, sy ny angaka, sy ny arosy na haralahy, sy ny faralambotra, sy ny fotsielatra, sy ny kitanotano, sy ny tsiriry, sy ny vivy, sy ny otrika. [2.48]
Voambolana  9 Haibiby: vorona

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12