|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 von-tady |
| Singan-teny | 2vona, 3tady |
| Sokajin-teny | 4 kambanteny |
| Fanazavàna teny malagasy |
5tady misy tonony na nasiana fototra mibokoboko, fantatra indrindra tamin' ny andro taloha teo amin' ny dinam-pokonolona.
6(Tao an-tranon' ny ben' ny tanàna, dia nisy tady navona mba ho fampahatsiahivana sy ho antoky ny fahatanterahan' ny dina ka teo no nanome toky ny fokonolona: "Tsy miova von-tady amin' ny dina nifanaovana izahay"). [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7noeud d'une corde, d'un cordon.
8coutumes, usages, prescriptions des devanciers; manière de compter les années des enfants, au moyen d'un cordon spécial auquel on fait un noeud à chaque premier de l'an. [1.3] 9Les coutumes du pays et les prescriptions des ancêtres sont les noeuds d' une corde. 10Les anciens se servaient d' une corde à laquelle ils faisaient des noeuds pour enregistrer et compter les choses importantes, ainsi que le nombre des années. [2.415#345] |
| Ohatra |
11 Ary dia novalianay nataonay hoe: tsara izany raha tsy manadino ny vontady nentina tamin' Andrianampoinimerina sy Lahidama, koa inty mby amin-dRanavalomanjaka mbola tsy ovànao, dia tsara izany fa raha mahatàna, sy tsy manova izany ianao, i Tompokovavy kosa tsy manova fa matokia ianao fa izy no ray, izy no reny raha mahatana ny vontady tamin' izy roa lahy koa raha mby amin' i Tompokovavy, mbola tsy ovàny ny vontady nomen' izy 2 lahy.
[2.366#]
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|