|
|
|
|

Teny iditra1 voninahitra
Singan-teny  2vony, 3ahitra
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5Fankatoavana olona noho ny hatsaram-panahiny na fahaizany na zavatra lehibe vitany: Nahazo voninahitra izy tamin' ny nandreseny ny fahavalo.
6Fiamboniana, fiandrianana: Nitandro mafy ny voninahiny izy ka tsy nanaiky ny hiray tetika amin' ny olon-dratsy.
7Mariky ny hambonian-toerana na laharana ananana eo amin' ny firenena: Natao roa ambin' ny folo voninahitra izy.
8Dera sy laza: Voninahitra anie ho an' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9glory, honor. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10gloire, honneur. [1.3, 1.8]
11grade, dignité. [1.3]
12(de vony : fleur et ahitra : les herbes, notamment les Poaceae).
13Nom qui a pris le sens abstrait de : honneurs, grades militaires, dignité, etc.
14Les rois malgaches se comparaient eux-mêmes aux fleurs des Poaceae ; leur peuple représentant les racines et les tiges, d'où la notion de solidarité entre le peuple et son roi : si les tiges se fanent, la fleur est également détruite. [1.196]
Ohatra  15 tamin' ny Alakamisy 3 Septembre 1868 no nisehony tamim-boninahi-lehibe tao Andohalo [2.649#1111]
16 nampodina avokoa ny voninahitry|voninahitro izay niongana tamin dReniny, dia nody ny voninahitry|voninahitro [2.59#32]
17 Ary ny manamboninahitra irak' andriana niaraka tamin-dRainiliza 15 voninahitra sy Rainiboana 15 voninahitra sy Ratsimitamby 14 voninahitra sy Rainivaomialy 13 voninahitra [2.366]
Haiendriteny 
18 Tsotra :
19 Tovonana :
Mpanahaka  20 vtra, 21 vtra
Kamban-teny rehetra  22Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  23 Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  24 Soratra misy io teny io
Lahatsoratra  25Randzavola: voninahitra ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02