|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 varoa
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Ny varoa dia bibikely mpanimba tafiditra teto amintsika taona vitsy izao.
4Efa tany amin' ny taona 1950 no nahitana ny varoa, antsoina hoe "Varroa destructor" amin' ny kaontinanta Azia.
5Ny taona 1966 no nambara ofisialy ny maha biby manimba azy sy ny loza aterany.
6Rehefa niparitaka tany Eoropa izy ny taona 1970 dia tonga teto amintsika ny taona 2010.
7Bibikely mivelona amin' ny ran' ny renitantely ny varoa, ary manatody sy mitombo haingana mihoatra ny fitombon' ny renitantely.
8Azo lazaina ho toy ny karazana kongona na hao izy io, miloko mena matroka manompy volontany, mirefy 1,1 hatramin' ny 1,2 mm ny halavany ary 1.5 hatramin' ny 1,6 mm ny sakany, izany hoe toy ny loha-paingotra ny habeny.. [5.mg.https://apimadagascar.files.wordpress.com/2012/09/livret_adygasy.pdf]
Voambolana  9 Haibiby: tsy manan-kazon-damosina 10 Haibiby: fitsaboina momba ny biby
Mpanahaka  11 varoazy

Teny iditra (2/2)12 varoa
Sokajin-teny  13 anarana
Fanazavàna teny frantsay  14Protorhus sericea Engl.
15(Anacardiaceae).. [Tanala] [1.196]
Voambolana  16 Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  17 arova, 18 ravao, 19 varoa, 20 voara

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05