|
|
|
|

Teny iditra1 valaka
Sokajin-teny  2 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3Mahatsiaro tena ho reraka noho ny hery lany nampiasaina; trotraka; kotra: Valaky ny asa tany Rabe. (Tsara homarihina ny mahasamy hala ny hoe: "sasatra, vizana, valaka ary trotraka": ny hoe "sasatra" dia ilazana fahatsiarovan-tena ho reraka noho ny fahenjanan' ny hozatra indrindra: Sasatry ny miandry; ny hoe "vizana" kosa dia noho ny tsy fiovam-pihetsehana indrindra: Vizan' ny mihorirana ny marary; ny "valaka", dia noho ny hamafisan' ny asa: Valaky ny asa tany izy, ary ny "trotraka", mitovy hevitra amin' ny valaka ihany saingy mafimafy kokoa indray). [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4fatigué, épuisé, harrassé.
5figuré: dont le poids ne suffit pas, inférieur. [1.3#804]
Sampanteny 
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  7Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  8 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  9 kalava, 10 lavaka, 11 valaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02