| Fanazavàna teny malagasy |
3Volotsangana mitovy habe amin' ny valiha: iray metatra sy sasany ka hatramin' ny dimy metatra ary velezina amin' ny tsorakazo kely anankiroa: olona maromaro no indray mively ka samy manana ny fipaikany avy ary dia tahaka ny tehak' olona zato any ho any ny feony.
4Misy fomba telo fampiasana azy: apetraka amin' ny tany, ka mipetraka amin' ny tany ny mpively azy -- asiana tsatoka roa hiantonany ka mitsangana ny mpively azy -- tazonin' olon-droa (iray avy isaky ny tendrony) ka mahazo mamindra na manao fihetsehana ny mpively azy.
5Saika fampiasa hatraiza hatraiza izy ity fa ny anarany no samy hafa: tsikaretika (Antsiranana), karatsaka (Soalala), kimbolo (Antsohihy), peripetika (Betsimisaraka).
[1.1]
|