| Fanazavàna teny malagasy |
3Kilalao madinika natao hanarian-dia sy hialana voly: Ny kindriandriana dia tsilaolao natao ho an' ny ankizivavy kely.
4Kilalao amin' ny hevitra an' ohatra: Tian' ny Ntaolo ny manao tsilaolaon-teny, toy ny hoe: "Nitady tombony ka natombiny".
5(Tsara homarihina ny mahasamy hafa ny lalao, kilalao ary tsilaolao.
6Ny lalao dia teny ilazana fanarian-dia sy fialam-boly: Lalao tian' ny Merina fahiny ny daka na diamanga; ny kilalao: zavatra entina milalao na miala voly: Kilalao tian' ny ankizilahy ny kanety; tsilaolao: enti-milaza kilalao madinika na lalao amin' ny hevitra an' ohatra araka ny voalaza etsy ambony).
[1.1]
|